MALAGASY… (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
MALAGASY…
Ny foko Malagasy, ny saiko Malagasy.
Ny ràko, rà Malagasy!
Nefa dia manotasota, ny fomba Malagasy.
Izaho ve izany, mendrika ho Malagasy?

Ny famadihana haratsiako,
ny famangiana, tsy noraharahaiko!
No indray moa efa navela,
satria efa nilaozan’ny ela.

Ny fihavanana hoseko,
ny lovan-dRazana potehiko.
Ny fahamarinana, natsangako ho fahavalo,
ka ny ozona sy tody, no nahitako angano!

Fay aho, tena fay! Ka aleoko mivalo,
mifona aminao ry tanindrazako.
Noho ‘reo hadalako maro,
izay nataoko tamin’ny razako.

Ny foko Malagasy, ny saiko Malagasy.
Ny ràko, rà Malagasy!
Ka na ho lefona, na ho tafondro amam-basy.
Izaho Malagasy, ary ho faty Malagasy!
RRAG
Aprily 2010
--------
Rohy:
396 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.022