MALAGASY IANAO O? (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
MALAGASY IANAO O?
Vao miloa-bava ianao, raha sendra nisy nanontany,
dia mamaly tsy mihafa, sy toa miteny avy hatrany,
hoe: "Malagasy volon-koditra, Malagasy ranoray".
Malagasy fiaina ianao, nefa ve mba tena izay?

Sahinao ve ny hireha, fa Malagasy Ray sy Reny?
Sahinao ny hilaza, fa mbola am-pomba sy fiteny?
Ka ny tanindrazanao, no reharehanao hatrany.
Ny fitenin-drazanao, tsy havela ho faty izany.

Malagasy ianao o! Tsy fiaviana fa aty fo?
Ka miezaka hatrany, ho an’ny tanindrazanao aloha.
Mitroatra eny rehefa sendra, noràtraina ny maha Gasy.
Fa tsy ilay mpipitrapitra, ‘lay mpanao tarehy ratsy!

Malagasy ianao o! Ilay Malagasy tia miray?
Ka manaiky ny havondron’ny firenena iray.
Tsy matahotra manohitra, ny ankasomparam-pahavalo.
Raha Malagasy ianao dia, hinoako fa mitovy kalo.

Mitovy tanjona kinendry, amin’ny razambe anao.
Iray topy ny jinery, dia ‘lay tsy mba mitalaho.
Fa mitraka an-kerin-tena, sy miroso tsy mihemotra.
Na izany aza ianao, manam-po afa-mandefitra!

Malagasy ianao o! Ilay manaja fihavanana?
Malagasy fiaviana, toy ireo tapaka sy namana.
Ka hiaro hatramin’ny farany, ny maha Malagasy anao.
Mba tsy ho simba ny fivoarana, sy ‘zao fanatontolona izao.

Tsy handrangitra adim-poko, na koa ny lokom-bolon-koditra.
Tsy hosarahan’ny finoana, sy ny ady mampihoron-koditra.
Fa hametraka ambony, ny hasin’ny tena Malagasy.
Toy ny nataon’ny razantsika, nanao ny rano ho ody basy!

Malagasy ianao o! Malagasy ilay voazanaka?
Saingy vonona hiady, ho lovasoan’ireo taranaka.
Amin’ny fanjanahan-tsaina, famotehana ny fomba.
Sy ‘reo mbola kolontsaina, eny hatramin’ny aty rova.

Malagasy ianao o! Malagasy te ho afaka?
Malagasy anaty fo, sy an-tsaina tsy mitsahatra.
Malagasy manan-jo, Malagasy iray fa miavaka.
Ka hanaisotra ny taninao, anatin’izato lavaka.
RRAG
30 Aogositra 2018
--------
Rohy:
429 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0174