MALALA A! (RRAG)

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
MALALA A!
Mbola tsy ary akory, izaho sy ianao,
dia nisy laha-piainana, voasoritra ho antsika.
Mbola iny lalana iny, no dia hatramin'izao,
ka rariny dia rariny, raha toa nifankahita.

Nifamboraka fitia, nifampizara mamy,
dia indray niara-dia, toy ny tsy teto an-tany.
Nanorina tontolo, miavaka sy kanto,
ilavi-tsetrasetra, indaosin'ny mangidy sy matsatso.

Mbola zaza isika dia, efa nisy ihany,
fitia nisarontsarona, saingy ninia tsy niseho.
Fa moa ve malala, raha toa ka androany,
no misy fo mitroatra, mieza-mamoaka feo.

Dia fahadisoany izany, na helony ihany koa?
Nefa moa ve tsy tsara, ny mitia am-po,
ny miezaka mizara, fitiavana madio,
ilay aborako ho anao, ho anao anio?

Malala a! Mbola tsy ary isika, dia efa nisy tendry,
namaritra tantara, nikatsaka, nikendry.
Izay hahasoa antsika, ho anjara tsy hay fefena,
mbola tsy ary isika dia, efa nisy tany dingam-panekena!
RRAG
01 Febroary 2018
--------
Rohy:
822 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0201