MAMIKO IHANY… (SAFIDY: 2012) (RRAG)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
MAMIKO IHANY… (SAFIDY: 2012)Mamiko ihany nefa, miahotra ny foko!
Satriny hilefa, mba tsy hanan-tompo!
Mamiko f’indrisy, ny foko tsy hanantena!
Ianao toy ny tsy misy, fototry ny faharesena!
Nambabo ny foko, nandefy ny saiko!
Mamiko ihany fa, ny fotony tsy haiko!
Saingy ny fantatro, ianao tian’ny foko!
Afo efa mandoro, fa tsy mba novonoiko!
RRAG
17 Desambra 2012
--------
Rohy: