MANANÀ… (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
MANANÀ…
Mananà ianao finoana, mananà faharetana!
Mananà fitokisana, ny hoavin’ny maraina.
Mahaiza mampitony, sy mandamin-tsaina,
fa ianao ‘lay hoavy, mbola handrandraina.

Tsarovy irony lasa, tsy naharesy anao.
Banjino izato hoavy, ary koa fakao,
fa ao no mitoetra, ny herim-pahendrena.
Raha hainao mioty, dia ho herim-pandresena!

Ka aza atao ambanin-javatra, ny fianarana ratovina!
Aza atao tsinontsinona, ‘reo Ray sy Reny na dia tsy hanozona,
fa omeo lanja ihany e! Eny, na sisasisa ambin-tany.
Asio hasin-kanjany, na aza vovo-tany!

Mananà ianao finoana, sahia ianao mitolona.
Raha sendra ady mafy, aza mimonomonona,
fa eo hatreo hatrany, raha mbola efanao.
Reseo re izany, raha toa ka azo atao!

Aza dia mitady tosika, raha tsy hoe tena tsy ho efa.
Aza dia milanja molotra, na dia tena tezitra,
banjino ny lalana, izay tsy maintsy hampilefitra.
Henoy ihany ny hafa, amin’ny antsony miantefa,
‘zay miantso anao hitolona.

Mananà ianao toky, aza dia manahy foana,
fa tsy maintsy ho vitanao, na dia handanim-potoana,
ireo tolona tsy maintsy, hosedrainao manokana.
Na dia izany aza, aza tia mitokantokana!
RRAG
Febroary 2012
--------
Rohy:
260 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0206