MANARARAO-PAKO… (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
MANARARAO-PAKO…
Ianareo ،zao homana, kanefa tsy nisasatra,
sady tsy nitsinemboka, no tsy namafy akory.
Mioty avy hatrany, ny hatsembohan-datsaka,
saingy tsy nireraka, no tsy niari-tory!

Manararao-paty, dia maka ny tsy an’ny tena.
Misoloky an-kala-botry, ny olona tsy manana.
Mampitombo vola, dia manampatra ny harena,
hakàna an-keriny, izay tsy nisasarana!

Izahay mitsemboka, ety an-dabam-pako,
mieza-mitinady, ny ho azonay harapaka.
Miaritra mangidy, sy ‘zay farany matsatso,
leo ‘ty fahantrana, ka mikiry ny ho afaka!

Manararao-pako, mikaroka ny hatelina.
Mitsinjotsinjoka eny, satria mba te hihinana!
Tsy afa-mitinaky, ‘zay zon’olombelona.
Na hitaky aza moa, tsy hodian’ireny ho fanina?
RRAG
28 Septambra 2019
--------
Rohy:
317 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0332