MANDALO MISERANA… (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
MANDALO MISERANA…
Ilay volana nandalo, nahiako ny hiserana.
No nijanona ela teto, fa nanam-paharetana.
Nefa izato ianao, mba nanokafako ny foko.
Niovaova toetra, toy ny tsy nanan-tompo.

Ny an’ny hafa toa, naharitra sy ela.
Ny ahy sy ny anao, vao niandoha dia nianjera.
Sarona havoana, sy zavom-be miloko mainty.
Teny mankarary, sy esoeso tena tsy tanty!

Ny masoandron’ny hafa, toa tsy mba mety takona.
Ny ahy kosa anefa, ora iray dia efa sarona.
Todim-pitiavana a? Asa, toa tsy hay marina,
no injay manarona, ity fitia ‘zay nangalarina.

Fitia noheverin’ny aiko, hitsabo ilay fo,
zary olana namaky ny atin’ito loha,
nanitatra ny fery, izay efa mba nikatona.
Zoga ho an’ny tena, ny fitia namboarimboarina.
RRAG
Janoary 2010
--------
Rohy:
238 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0203