MANDIMBY TSY SATRY… (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
MANDIMBY TSY SATRY…
Tsy afaka haninona aho ry zoky malala,
mandimby tsy satry ny anaranao.
Na tsy ho efako aza, ka tiako ny hiala,
ny foko tsy sahy, toa tsy azoko atao.

Tsy ianao no hoe lavo, na tena efa reraka!
Efa maro ny vita, saingy misy tsy tanteraka.
Dia anjarako anio, ny mamita ireny.
Ry zoky malala ô! Aza hodian-tsy mijery.

Ny soratrao an-taona, tsy mbola nisy lavenona.
Ny anaranao mitoetra, sady koa mbola velona.
Tsy maty tsy akory, fa ianao no naka aina.
Maro ny adidy, ka mila misaintsaina.

Misaotra anao aho, fa nomenao lanja.
Navelanao haneho, ny atin’ny foko.
Ry zoky malala, anio dia banga.
Ity kianja ity, raha ianao no hafoiko.

Ekeko ry “RADO”, fa zandry ny tena tsy afa-manery.
Kanefa mba tiako, raha asianao maso, mitopy mijery.
Manaraka foana, ny soratry ny tanako.
Sy izay fomba hizaràko, ‘ty hany fananako.
RRAG
27 Febroary 2013
--------
Rohy:
265 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0203