MANDRIA! (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
MANDRIA!
Zandry, etsy matoria,
eo ianao mandria!
Aza miteny intsony,
aleo ny fo hitony!

Misetra ve ny fasana,
mamongatra ny lasana,
misintona ny aina,
ka mampitaraina?

Antsa, etsy matoria,
eo ianao mandria!
‘Njay toa resi-tory,
ka tsy mahatsapa ory!

Mandria ry sombin’ny aina,
hampitonio ny saina!
Mangina dia aza mitomany,
f’izay no setran-tany!

Antsa ô! Etsy matoria,
eo ianao mandria!
Aza misaina akory,
‘zay hoavy tsy hitohy!
RRAG
05 Nôvambra 2011
--------
Rohy:
240 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0203