MANGINA…! (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
MANGINA…!
Mangina e! Fa aza mitomany,
ry sombin’ny aiko izany.
Etsy! Ny ranomasonao fafako,
‘ty tavanao sasako!
F’izany no eto an-tany,
mangina fa aza mitomany!

Mitrakà fa aza mitanondrika,
raha ny fiainana! Tetezan-kazo boboka.
Tsy voatery hitovy hatrany,
ny omaly sy ny androany.
Tsy voatery ho ratsy foana,
izay soritin’ny fotoana!
Ka mangina e! Izany sombin’ny aiko izany,
mangina, fa i Neny eto ihany!

Aoka izay ‘ty ranomaso,
fiainan’aiza no tsy hisy ankaso?
Saingy raha ao ny risi-po,
dia ny handresy foana aloha,
no kinendry eto an-tany.
Mangina, izany zanako izany!

Ny omaly ve hoe ràtra?
Dia hoy ianao: “Toa efa mahazatra”.
Nefa kosa ry aiko tiako,
ny zotom-ponao, mba iriko.
Ho hery hafahanao mitroatra,
miady izay mety ho hararaotra.
Mijoroa ho amin’ny fahendrena,
dia ho amboaranao ny fandresena!
Ka mangina e! Fa aza mitomany,
mbola ho mpandresy ianao, raha mbola tany koa ny tany!
Koa mangina izany zanako izany,
‘lay tokan’ny aiko eto an-tany, mangina fa aza mitomany.
RRAG
Mey 2013
--------
Rohy:
375 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.022