MANGINA AKIA… (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
MANGINA AKIA…
Mangina akia malala ny lalana lalovana,
raha iny izaho irery no mandia ‘ty lalana.
Mipololoitra anatiko ny tsiarom-pahatsiarovana,
rehefa sendra aho mijano-maka bahana!

Any ianao izaho mihevitra ahy tsy hoavy,
dia mandrafidrafitra pilanina vaovao.
Izaho akia malala, nefa tena miangavy,
eo iandraso ihany, raha mbola andrinao!

Mangina akia malala ‘ty foko manirery,
mahatazana ilavitra iretsy mpifankatia!
‘Ty lalam-pandalovantsika no vinakiako irery,
satria tokoa moa ‘sika tsy afaka ny hiara-dia!

Ianao ary andrefana, izaho aty avaratra,
tsy afaka hiray lalana raha tsy hoe efa fotoana.
Ilavidavitra ihany sady efa valabalaka,
nefa eny aminareo vao afaka ny hihaona.

Mangina akia malala ny lalana lalovana,
satria tsy eo ianao, mba afaka iresahako.
Dia ‘njay fa mitamberina ny amboaram-pahatsiarovana,
nentin’iny lalana iny ho ahy sy ho anao!
RRAG
12 Febroary 2020
--------
Rohy:
376 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0239