MANGINA FA AZA MITOMANY… (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
MANGINA FA AZA MITOMANY…
Mangina, fa aza mitomany!
Mangina, fa i Zoky eto ihany,
eto anilanao, eto hampitony!
Aleo izy ho any, ka aza asiana lonilony!

Mangina dia etsy koa fafako,
izato ranomaso, manarona ny tava!
Mangina izato zandriko,
dia aza miady aminy, na koa manoka-bava!

Aleo izy hiteny, aleo koa haneso,
fa rehefa reraka io, dia mijanona ihany.
Aza atao mankarary, na koa mampisefo!
Injao izany indray, no hampitomany!

Mangina! Mangina ry Antsakely!
Mangina! Mangina hoy ny foko!
Mangina, fa aza mba miteny,
fa izay tsy tia! Etsy hosoloiko!

Aza mihaino akory, ny vazavaza entiny!
Aza raharahaina, izay hoe fihetsiny!
Fa izy tsy ho ela, rehefa tsisy mihaino,
dia hangina tsy hiteny! Izany koa mba saino!

Mangina! Mangina ry zandry!
Mangina fa aza miady, na mifamaly aminy!
Aleo izy! Aleo hanenjan-tsandry,
fa tsy ho ela, dia ny neniny ho tomaniny!
RRAG
05 Nôvambra 2011
--------
Rohy:
339 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0209