MANGINA HONO IZANY…! (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
MANGINA HONO IZANY…!
Mangina hono izany
zanak’i Dada izany.
Mangina hono
fa aza mitomany.
Etsy fa fafany,
‘ty ranomasonao mirotsaka.
Aoka fa ho hakariny,
‘ty pataloa ‘zay miborotsaka.

Mangina fa izao
no vintana sy anjara,
efa hoe voasoratra,
tanatin’ny tantara,
lalovantsika mianaka!
Fa efa tendrin-dahatra,
i Neny ‘lay handao.
Ny ainy no nitsahatra,
fa izy anilanao!

Mangina, dia etsy hofihiniko!
Hofihiniko mafy,
‘zany sombin’ny aiko izany,
ka aza mitomany!
Fafao moramora,
ny ranomaso an-tavanao.
Fa ‘zay ‘lay soritr’ora,
dia tsy maintsy mifandao.

Ry zanako mangina,
tsy mbola resy akory ianao.
Ka avelao ny raorao,
sy ny setrasetram-piainany,
hanao ‘zay finga-mety ho vitany,
fa tsy ho ela dia ho hitany,
hoe afa-miady ny fonao!
‘Lay noterena hitalaho,
teo an-tany mpanjanahany!

Mangina, aoka izay ny tomany,
aleo ny lasana ho any.
Fa sao indray ka hankarary,
ity fonao diso mijaly,
noho ny setrasetrany ihany!
Mangina fa izay
no hany hahafahanao manohy.
‘Reo tolonao hatrizay,
mandrapiato indray ny fony,
ka mandrapiala ny herinao!

Mangina fa aza mitomany,
fafao ‘ty ranomaso manarona ny tavanao.
Aleo ny lasana ho any,
dia ho ringanao, ny herin’ny talaho.
Mangina! Etsy mangina,
na dia ora vitsy ihany,
sy segaondra tsy hita isa,
hahafahanao mba hoe miampita,
amin’ny tolona vaovao!

Mangina hono izany
menaky ny aiko izany!
Mangina, fa aza mitomany,
f’izay ‘lay eto an-tany!
RRAG
Janoary 2012
--------
Rohy:
381 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0213