MANGINA HOY IANAO…! (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
MANGINA HOY IANAO…!
Mangina hoy ianao, ‘ty foko manirery,
mihantahanta kely, toa tsy mahasahy miteny,
miangotingoty, te haneho fitia,
mikiry mafy ery, maniry ny hiara-dia.

Dia mba nanipy tsiky e! Fa babon’ny fijery,
resin’ny endrikao, ‘lay kantokanto jery,
nidongidongy, ny hotiavinao,
injany ny aty foko, asa raha tsapanao?

Mientanenta-mafy, ny fidoboky ny fo,
toa miezaka mitroatra, mitaky anjara zo!
Dia ny hitia anao, no kinendriko ry tiana,
mangina hoy ianao, fa ho to ny faniriana!
RRAG
24 Septambra 2018
--------
Rohy:
874 1
Mpakafy: heri't mick
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0205