MANGINA MOA LESY A! - RRAG
Azo vakiana?
MANGINA MOA LESY A!
Ialako tsiny indrindra, ry namana sakaiza
mpiara-miari-tory, amiko isak’alina.
Fa namoahany didy, tsy ho afaka mankaiza,
ka hotampenam-bava, tsy hivòvò ialahy rahalina!
Manakotaba lesy a! Manelingelina azy,
ny hogahoga rehefa, misy mitsaitsaika!
Ka aleoko hamafisina, ny hidim-bavahady,
fa ny hitomany ampitso, toa tena tsy ho laitra!
Sady hovaky trano, no ho mbola hanefa sazy,
tsy sahy ny hitaraina, sao tsy hahita rariny.
Dia ialahy akama, no ‘ndray fatoran-tady,
hiandry izay fiovana, eo amin’irony laminy.
Mangina moa lesy a! Tsy afaka aho ny hanohitra,
f’izay ny efa lamina, tiany hapetraka!
Ny hamela an’ialahy hiteny, indray no mampatahotra,
ka ny aina sy ny saina, no indrao mivala-ketraka!
Sakaiza ô! Mandria raha azo atao,
aza mihaino akory, ny tsaikam-pahavalo!
Fa izay aloha e! Anjarako izany izao,
no miahotra, matahotra, ny siokan’ireo mpandalo!
Mangina moa lesy a! Aleo aho hiady irery,
raha ‘zay tiany fony, hahadiavolana azy!
Ialahy aloha izany, mangina tsy miteny,
manomboka anio, ka hofatoran-tady!
RRAG
26 Septambra 2020
Hametraka hevitra
Midira alohaMombamomba
Mpanoratra : RRAG

Nampiditra : RRAG
Daty : 26/09/2020
Mpamangy : 292
Mankafy : 0
Tononkalo hafa
DIA HOE…RAHA AVELANAO…
ANTSA TSISY FETRA…
TSY LAVINA… KANEFA…
TOKOA MOA IZANY…
DIS-TU?
MENOMENON-TSAINA…
TAFITA NY AINA…
RAHA TSY MANDRAVA…
TODY…