MANIMANINA NY FAHAZAZAKO AHO IZANY… (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
MANIMANINA NY FAHAZAZAKO AHO IZANY…
Toa satriko ry lahatra, ny hitoby toa anao,
an’efi-trano tokana, tsy misy fiovana,
satriko ny hitsahatra, izao dieny izao,
ny taom-pisondrotana, nitondra fanovana.

Tiako loatra izany, miaina fahazazana,
‘lay akany volamena, tsy mbola lefy laza.
Mba tiako koa ny hoe, akaiky tambitamby,
tsy hisy mpiara-monina, hifanenjan-tsandry.

Manimanina ny fahazazako aho izany,
toa tsy hadinoko, irony hamamin-tany.
Voarakotra fitia, sy hantahantan-teny,
satriko ry lahatra, ny mba hiverina eny.
RRAG
25 Nôvambra 2004
--------
Rohy:
430 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0168