MANINA FA TIA! (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
MANINA FA TIA!
Manina ny fo, te hiantso anao mafy.
Mahatsiaro ny an-doha, alahelo toa tsy ho tanty.
Resinao ny foko, lavo tsy nihazon-defona.
Satria ianao tsy foiko, zary sary mitamberina.
Misafo ny fijeriko, nanova ny anatiko,
lasa aingan-teniko, tokana fiantsampiko.

Manina ny fo, indrisy! Manina fa tia.
Mitaky indray ny zo, ny hitafy ilay fitia,
eo an-tratranao, ry ‘lay safidin-dalany.
Ny ho eo anilanao, no hany teny fantany!

Manina ny fo, te hiantso anao mafy.
Mitsiaro ny an-doha, malahelo koa ny anaty.
Manina ny fo, indrisy! Manina fa tia.
Mitaky indray ny zo, ny hitafy ilay fitia.
Fitia avy aminao…!
RRAG
Alatsinainy 30 Septambra 2013
--------
Rohy:
284 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0211