MARAIN-DRIRININA...! (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
MARAIN-DRIRININA...!
Ilay ianao somary tara, vao nahita tory iny,
noho ny alin'ny hatsiaka, mitovy valaka amin'ny lasa.
Nahatsiaro nangatsiaka, tahaka ny alina fahiny,
asa ve hoe: “Tsy tsaroana tokoa, ny ririnin-dasa?”

Ny maraina toa mikiry, miboko mafy ireto lamba,
mivonkimbonkinkely ery, noho ny hatsiaka mamanala.
Rahoviana ihany anefa, rahoviana vao hisava,
ity hirifirin'ny andro, toa hila hahalasa adala?

Miahy ampiana azy ireo, bodofotsy maromaro,
ny lamba tsotra, matevina, manify, no hany hafangaroharo.
Satry ery ny tsy hifoha, tsy hiala eny am-pandriana.
Satry ho alina eny foana, izay ny andro toa tiatiana!

Dia 'lay marain-dririnina, toa mitarika hakamoana,
mitondra eritreritra hafa, satry ho toy izao foana.
Afaka manararaotra, ny mikafirifiry kely,
na taratara aza no mifoha, dia toa tsy misy teniteny!

Fa ny marain-dririnina, toa tontolo ilàna namana,
ilàna nama-mpanafana, na dia ny hatsiakan'ireto tanana.
Izay mamanala ery, satry anaty lamba hatrany,
nefa hirifiry loatra, ka rahoviana, rahoviana no tsy hisy izany?
RRAG
12 Mey 2017
--------
Rohy:
329 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0203