MARATRA INDRAY… (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
MARATRA INDRAY…
Misento mangina anaty haizin-kitroka,
ity fo tsy tony, efa hila ho rotika.
Fa tsy tody hazavana, misera-maraina,
nokakasan’ny lasa ka velon-taraina!

Misento mangina ‘ty fo resi-tory,
voatsindrona mafy ny aty ka ory.
Mandrotika mafy ‘ty fery efa maina,
tsy hahazo rariny fa mainka holatsaina!

Misento mangina ny fo feno ràtra,
izay nodomina mafy tamin’ny eso nahazatra,
fanehon’ny vava, nokotrehan’ny fo.
Vokatra hadalana sy hamaivanan-doha!

Maràtra indray ny fo, niahy tinataka ny zaitra,
niahy nihitatra ny fery, nitondra sento tsy ho laitra.
Dia migogogogo mitomany, mimonomonona fa resy,
resin’ny ady tany ho any, na dia nanantena handresy.
RRAG
06 Oktôbra 2010
--------
Rohy:
329 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0889