MARIAZIN-DRANOMASO… (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
MARIAZIN-DRANOMASO…
Nihovitra ny tany, tresaka ny lanitra!
Nanjaka ny tomany, fa resy ny mahantra!
Nilatsaka ny varatra, nianjera teo an-doha!
Maloka ny taratra, marary indray ny fo!

Sabotsy feno ràtram-po, nandrava vinavina!
Andro tsy nitondra soa, namoizana ny tiana!
Teo anoloan’alitara, ilay fahavalon’ny fitiavany,
no nafoiny ny tiany, ilay hany fahasambarany.
Izay tokana an-tany, tsy misy hafa mahasolo!
Teo no faran’ny hasambarany, teo koa ny fony no toro.

Potipoti-dranomaso, noho ny vesatry ny fandaozana.
Nokikisan’ny ankaso, teny an-tany fanavaozana.
Dia teny ambonin’ny alitara, no nianjera ity vintana!
Ninia nandrava ny anjara, ilay voafaritry ny kintana.

Izy ilay nanonom-boady, hoe mandrakizay doria!
Teo no nalavon’ady, nanaraka ilay fitia!
Nakarapony tamin’ny tany, tsy nasian’ny fofon’aina!
Novesarany sahady, tolon’ady vao maraina!

Mariazin-dranomaso, fahafatesana nametra!
Vao niandoha, dia niafara,
toa mafy loatra, raha ny fetra!
Fa mahery noho ny anjara.
RRAG
26 Desambra 2012
--------
Rohy:
399 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0179