MARITIORA… (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
MARITIORA…
Maritioranao ireny,
ry fireneko tiako indrindra.
Ady vitanao no teny,
mati-paika tsara rindra.
Na namoizanao aina,
na namoizanao finoana.
Na nisy aza ireo nisaina,
fa very foana ny fotoana,
dia maritioranao ireny!
Satria nahafoy tena ho anao.
Mbola hiaro anao ireny,
fa tsy any dia handao.

Ry fireneko tsy hadino,
ny foko mantsy mbola mino,
fa hipoaka tsy ho ela,
ilay ady tena ‘ngeza.
Ka ‘reo maritioranao,
no hijoro indray fanindroany.
Dia ‘reo maritioranao,
no haneho ny finoany.
Fa handresy indray ianao,
na mbola ho maro koa ny ho lavo.
Satria izay no adinao,
mba ho tafanika ny avo.

Ka maritioranao ireny,
na mangina aza anio.
Ireny ilay maritioranao,
mpitoetra! Mpivahiny!
Tsy mitsahatra mijery,
izay ho adinao anio.
Tsy mitsahatra miteny,
noho ny fitiavany anao.
RRAG
Aogositra 2012
--------
Rohy:
299 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0226