MASOANDRO MPITARATRA…! (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
MASOANDRO MPITARATRA…!
Sarotra tombanana ny ao am-po,
toy ny ivom-panantenana!
Ao no fitobian’ny tsiambararoa,
nitondra tara-pahazavana!

Ao izao no mandry ilay fitia,
mitondra fitonian-tsaina.
Ao koa kay no miriaria,
ny fankahalàna sy ny taraina!

Sarotra faritana ny eritreri-tsaina,
anaty alahelo!
Saingy misy fetra ny herin’ny taraina,
ilay minia mihelo!

Masoandro mpitaratra ilay tsy manadino,
ny fitiavana ny tiana!
Fanilo mpanazava ny lalanao ‘lay mpino,
ny vinam-paniriana!
RRAG
Nôvambra 2019
--------
Rohy:
306 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0226