MATETIKA... (RRAG)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
MATETIKA...
Matetika misy hakivia-mandalo,
mialoka an'efitry ny eritreritra...
Ka zary hiran-tsaona no injay voakalo,
mandatsa-tomany mihiboka an'efitra!

Matetika loatra no miandry ny tsy ho avy,
ny fo tena tia nanantena ny ho tiana...
Kanefa ny lazon'irony aviavy,
no injao famantarana ny hakiviana!

Matetika koa no mitsiky mangina,
mihomehy samirery ny saina voadona...
Nifanojo fijery ny tia sy ny tiana,
ka velon-tsy satry ny afom-pinoana!

Matetika ireny iaraha-miaina,
matetika koa toa nofy daholo!
Fa ny hany azo atao dia ny mifanto-tsaina,
mitraka hatrany ho afa-mijoro...

Satria matetika, misy mikendry,
mivavaka mafy ny hahalavo anao!
Mody mangina, miseho ho olon-kendry,
kanefa ny tanjony, ny tsy hahatafita anao!
RRAG
21 Aprily 2021
--------
Lien:
204 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0207