MATIMATY FOANA SA? - RRAG
Azo vakiana?
MATIMATY FOANA SA?
Zendana aho nandre, fa nisy zaza maty,
voafiram-bala very, tam-pitolomam-batsy!
Tsy maintsy tonga hatrany i? Tsy maintsy asiana rà
hosorona vao hiova, ny fihevitry ny mpitondra!
Saingy iza no homelohina, raha misy miseho mahasahy,
mitaingina kifafa, an’andron-drivo-doza?
Mikiry maka loza, ny biby ‘zay efa romotra,
noho ‘ty ola-maro, sedraina efa ho hatomotra!
Dia matimaty foana, tsy nandray ny vokatra,
tam-pandresen’ny tolona, efany omaly!
Izao ny hafa indray, no mirehareha an-tsoratra,
fa nisy rà nandriaka, sy faty tany ho any,
izay vao sahy namoaka, ny fitakiana iretsy
mpitondra fanjakana, tsy mihaino feom-bahoaka!
Dia ao, ireo manararaotra, manao pôlitikam-petsy,
satria maniry mafy, ny ady mba hipoaka!
Samy diso angamba e! Ka mila mahatsapa
ny hamamin’ny aina hananana, ny isam-batan’olona!
Fa tsy hoe akory, hinia hifandràtra,
dia avy eo hifampitaba… Hifampimonomonona!
Tsy ratsy aloha ny tolona, fa mila am-pahendrena,
tsy isomparan’olona, ‘zay fitakian-jo!
Tsy ratsy koa ny miaro, fanevam-pirenena,
fa aza hafangaro fientanam-po!
Ry zandry, zoky havana! Tsy aleonareo mihavana,
mifampitafa hatrany, raha misy raha tsy tanty!
Ny fitakia-mitony, tsy ho foana hoe fandavana,
fa mety misy koa, zavatra tsy ampy!
Fa ny aina no tandrovy, fa io tsy hananam-piry!
Ny aina no arovy, fa tsy anana io ka hitsiry!
Fa rehefa an-drangolahy, dia sakafon-kankana,
sy oli-maimbo, tia miampatrampatra!
Matimaty foana sa, mba hoe nahita tombony i?
Aza hitako aza, fa ianao indray no hatombony?
Eh! Tena aza misy vintana, ka avy hifanameloka,
fa tsy hisy hiaiky mihitsy, hoe samy olo-meloka!
RRAG
19 Febroary 2021
Hametraka hevitra
Midira alohaMombamomba
Mpanoratra : RRAG

Nampiditra : RRAG
Daty : 20/02/2021
Mpamangy : 117
Mankafy : 0
Tononkalo hafa
VETAVETAINY….FO VERY...
KISARISARY FOTSINY...
TSY MISY HANIRY...
ANAKA...
SANATRIA KOSA ALOHA…
ITY FAHOTAKO…
AIZA IREO KARENJY?
IANDRASO AHO RAHA HO ANY IANAO…
MIVARO-PASANA…