MATOKIA… (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
MATOKIA…
Mananà fitokisana,
ny fonao ‘zay manantena.
Aza mora kivy,
raha sendra indray mianjera.

Apetraho an-tanan-dRay,
ny vavaky ny fo.
Dia ho foana ny ahiahy,
mamaky ny loha.

Mananà fitokisana,
ny talenta anananao.
Manana faharetana,
raha hitady zava-bao.
Manana fahasahiana,
hiatrik’ady mafy.
Amboary koa ny saina,
fa tsy maintsy ho faty.

Matokia ny tena,
manana fitokisana.
Mba henoy ny hafa,
fa aza hisitsihana.
Mety hisy ihany,
vahaolana ho atolony.
Mety ho tsara ihany,
ny hevitry ny molony.

Raha misy voninkazo,
nandrava-jaridaina.
Tsy hisy ve fijery,
hanova ny maraina ?

Ka mba miareta ihany,
raha mbola azo atao.
Miandrasa tantana,
fa aza mora lao.

Aza mora kivy,
na mora mitanondrika.
Fa tsy ho ela intsony,
dia ho tafasondrotra.
Hahatafita riaka,
hahasavily onja!
Haharesy irony sedra,
hahalavo ny herim-ponja.

Matokia ny marina,
tano izay finoana.
Fa tsy ho ela intsony,
dia hiteny koa ny moana.
Satria ny sori-tendry,
no hany sori-dalana,
anjara sy safidy,
tsy iray sampanan-dalana.
RRAG
Janoary 2012
--------
Rohy:
464 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0185