MBA MIAVAKA LAHY…! (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
MBA MIAVAKA LAHY…!
Mba miavaka lahy, ny hoe manan-dReny,
rako-tambitamby, ny fiainana an-tany.
Misy mpitia, eny, misy mpijery!
Misy mamafa, raha sendra tomany.

Mba mahasambatra lahy, ny anilan’ny Reny,
toa tontolo mazàna, rako-kinta-mangirana.
Manam-pahafahana, eny, afa-miteny,
raha sendra ady mafy, na koa manahirana!

Indrisy anefa, ry fiainan’ny tany,
ny zon’ny kamboty, toa nentin’ny lasa.
Misy any ho any, fo mitomany,
lavo ny Reniny, tsy nahavitan’ny kasa.

Mba miangatra koa, izany lanitra izany,
nahoana ny bitika, no tsy hahita mangirana?
Fa ho fiainan-tsento, rakofan-tomany,
nefa ny ‘ngeza, injany toa mirana!

Mba miavaka lahy, ‘ty fiaina-mandalo,
misetrasetra, maminga-madinika.
Rivo-doza mahery, toa tsy mba mivalo,
mamely tsy miera, sady tsy mba midinika!

Dia izay tokoa va re, ‘ty fiainana ity?
Misy any ho any, mijaly mahantra.
Nefa ny sasany, toa miriaria,
toa miangatra lahy, izato Andriamanitra!
RRAG
Mey 2013
--------
Rohy:
333 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0264