MBA TIAKO TANISAINA… (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
MBA TIAKO TANISAINA…
Ry malalako tsy foiko, mba tiako tanisaina, eto izany hoe:
“I love you”, vokatry ny fo, tena tia anao.
Tiako haverimberina, ventesina anaty sento, ‘lay hikan-teny hoe:
“I love you”, efa hatramin’ny taloha, dia resinao aho!

Ny foko tia dia tia, tsy menatra intsony, hizara ny ao anaty.
Nalavirinao ny tsia, nahafahako nitony, nilaza ‘zay tsy tanty.
‘Lay teny tokanao, miendri-panekena, ny fitiavako natolotra.
Tiako koa ianao, hoy ‘lay fandavan-tena, naboraky ny molotra.

Mba tiako tanisaina, raha toa ka sitrakao, ‘lay teny tiako ianao.
Mba tiako holalaina, am-betso tsy hankalao, irony teninao.
Ny teninao matetika, an-kafatra miafina, milaza izay am-po.
Tady tsy ho tafahetsika, ny foko fa toa ankona, maheno “I love you”!

Mba tiako tanisaina, irony orokoroka, izay nifanaovantsika.
Ireny, no hany fofon’aina, nanala ny hovitra, nentin’ny hatsiaka.
Hatsiaka mamanala, tsy nisy hafanana, afa-nanafana.
‘Lay antsonao malala, nitondra hazavana sy afo, afa-nanjakana.

“I love you”, asa aloha, raha tena voka-po, fa tiako foana haborakao!
“I love you”, fanonontsika roa, mialoha, antsika hifandao!
Ka mba tiako tanisaina, ho ren’ireo mpifosa, maniry ho toa anao!
Fa aina ny ahy no vidin-trosa, tami-namborahako, fitia taminao!
RRAG
Alakamisy 27 Jona 2013
--------
Rohy:
318 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0204