MBOLA MINO AHO. (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
MBOLA MINO AHO.
Mbola mino aho fa ny foko,
tsy mihevitra ny ho tiana.
Ny fitiavako nafoiko,
ianao koa nariana.
Mbola mino aho f’ianao,
tsy nanadino ny fisiana.
Na dia nilaozako nandao,
dia mbola manam-paniriana.

Mbola mino aho fa mbola hisy,
ny andro hihaonantsika roa.
Saingy indrisy,
fa ao anaty ràtram-po!
Ao anaty ferinaina,
miraki-tsedra misitery.
Ka nahatonga anao halaina,
handray fitia mitsianjery.

Mbola mino aho fa tsy hatreo,
no fara-fetran’ilay faritra.
Sady mbola tsy ireo,
no hametra azy ho tapitra.
Fa ny fonao mandà mihitsy,
no hiandrasako hiteny.
Nefa indro fa dia vitsy,
ny finoako ireny.
RRAG
Desambra 2012
--------
Rohy:
348 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0213