MBOLA MISITERY… (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
MBOLA MISITERY…
Maloka tanteraka, tsy hahitana hazavana!
Mihovitra daholo, nilaozana hafanana!
Nilaozan’olon-tiana, misento mangina!
Manamelo-tena, noho ‘ty vohoka tsy nirina!

Maizina avokoa, ireo lazaina ho soa!
Malazon’ny fahiny, ny vina ankehitriny!
Mizaitra toa mamery, ny ao anaty fo!
Fa mbola misitery, ‘lay ràtra nitahiry!

Kilan’ny afon’ady, ‘lay hany mba finoana,
ravam-paharesena, ny voady vita toky.
Hany, nangina tsy niteny, toy irony moana,
satria efa norovitina, ny pejin’ilay boky!

Maloka tanteraka, am-pototra hazavana!
Mihovitra avokoa, anoloana hafanana!
Raha vao nilaozan’olon-tiana, ka voatery niady irery!
Maizina avokoa, toa mbola misitery!
RRAG
Aogositra 2012
--------
Rohy:
281 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0188