MBOLA MISY ANY… (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
MBOLA MISY ANY…
Raha sakana fitia, no mety tazanao,
betsaka hono mantsy, ireo be fanahiana,
efa tonga vao nanenina, tamin’ny tsy natao,
arosoy ny dia, fa aza raharahaina!

Raha rojo izay mamatotra, ny fo tsy hitia intsony,
fa hankahala olona, amin’ny tsy natao,
no injay lazainao, fa fo efa nitony,
dia adala angamba ianao!

Raha fasan-tsy hilevenana, no ‘ndeha hitomaniana,
handanian-dranomaso, isan’andro vaky izao,
dia mitapy ianao, fa ‘zay milaza anao tsy tiana,
no hanamalohanao, ity maraim-baovao!

Ireny zavatra mandalo, tsy famikitra akory,
isan’andro izao, no mahatonga anao tsy hatory,
dia raha tadiavina ny anao,
zakao fa sitrakao!

Nefa kosa e! Ataovy an-tsainao ao,
fa misy any fo, tena tia anao,
mandreto-mitomany, toa anao izao,
satria, nisy fo nandao!
RRAG
31 Desambra 2012
--------
Rohy:
307 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0212