MÔDELIM-PITIAVANA…! (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
MÔDELIM-PITIAVANA…!
Mitamberina tampoka anaty tadidy,
ny fahazazana teo anilan’i Neny.
I Neny ‘lay tokana tompon-tsafidy,
afaka nandao ahy teny ho eny!
Saingy naleony nihazona ahy,
nitaiza ‘ty zanany tamim-pitiavana.
Nalaviriny ahy ny ahiahy,
izay re ry Neny rahavana!

Tsy menatra hihosina fota-maloto,
tsy kivy nesoina hila ho isan’andro.
Tsy nahafoy ahy izay mety hanoto,
eny! Na dia hanakona aza ny anjara masoandro.
Izay ilay Reny miavaka indrindra,
fatoram-pitiavako tokana an-tany.
Izy ihany koa no nampiana-namindra,
namafa ny tavako raha sendra tomany.

Môdelim-pitiavana ianao re ry Neny,
singa tsy afaka halàna ao anatiko.
Ianao no nampianatra ahy hiteny,
mbola nitsinjo ihany koa ny hoaviko.
Menatra loatra aho amin’ireny ditra,
toa fampijaliana ny fonao niankolaka.
Nefa ny fitiavanao ry Neny tsy nety ritra,
efa niova aho ry Neny, tena efa folaka!
RRAG
Jona 2013
--------
Rohy:
315 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0227