MENA MIDOREHITRA... (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
MENA MIDOREHITRA...
Tsy sarisarin-tsaina na nofin'ny eritreritra,
ny redaredan'afo mandrakotra ny fony.
Fa 'reny loko ireny koa mifonofono hevitra,
maneho am-pahanginana izay anjara zony.

Tia fa toa sakanan'ny fomba sy ny etsetra,
ka tsy afa-manambara 'zay tiany hovolanina.
Hatreo amin'ny loko sy ny fihetsiketsika,
no hany fahafahana azony notanana.

Mena midorehitra fanairana fijery no mby eny an-kodiny,
ka mba topazo maso 'ty fony tena tia.
Mena midorehitra fitiavan-tokam-po tsy hisy akory solony,
f'izay tokoa angaha 'lay tena hoe mitia.
RRAG
09 Septambra 2020
--------
Rohy:
338 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0173