MENARANA! (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
MENARANA!
Tsy nampoiziny ho ianao, ilay niladilady taminy,
no hahavita ny handao.
Tsy noheveriny ho ianao, ilay tokan’ny akaniny,
no nahavita izao.

Nametrapetraka azy, tanivon’ny oram-baratra,
sy tsela-po nandoro.
Ianao mihitsy, tsy afaka ny hifaka,
no hitany namono.
Ny afon’ny fitiavany!

Menaràna maty, tsy menatra akory,
mamadi-belirano.
Tsy mety fay mihitsy, ny ratsy vitan-tena,
izay nahitana angano.

Nahidin’ny hafa, tao am-ponja an-taona,
ny hetraketra-pony.
Dia mody ny lasa, no lazaina nampisaona,
ireo fo tsy nety tony.
Kanefa ny hadalany!
RRAG
12 Martsa 2013
--------
Rohy:
331 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0326