You are here: home > Vetso

MENOMENON-TSAINA… - RRAG

Azo vakiana?

MENOMENON-TSAINA…
Tsy takatrao ny takany, tsy fantatrao ny ainy.
Tsy lalanao ny lalany, sy ‘zay ao an-tsainy!
Ny eritreri-tsainy, mikorontan-tsy miato!
Mitsako izay mangidy, mitelina matsatso!

Ny taoka no hany namany, namaly izay karohany!
Iny ilay sakaizany, akamany tsy foiny!
Mpiresadresaka aminy, mpamaha ny adin-tsainy!
Iny ilay sakaiza, mpamafa izay tsy ilainy!

Menomenon-tsaina, tsy takatra takarina,
no ao an-tendron-doha, ka tsy hahalalana marina!
Menomenon-tsaina, sakaizany mpampiharina.
Tena mahatoky, fa tsy mpitakarina.
Eny! Tena nama-marina!
RRAG
09 Oktôbra 2020

Hametraka hevitra

Midira aloha