METY NOFIKO ANGAMBA…! (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
METY NOFIKO ANGAMBA…!
Mety nofiko angamba, injay nofin’ny aliko, ilay fahazazana!
Fa toa sento kely, no namelona ny aiko, ka nihibo-kafanana.
Dia foana ny ràtra, ny sento tomany, nentin’ny omaly.
Izaho teny an-tsandrin’i Neny tsy foiko, no injao nifalifaly!

Mety nofiko angamba, fa tokana ihany, ny teny hifandraisana!
Tsy teny gasy tsy akory, na teny vahiny, fa tenin’ny fo.
Ny tany koa tokana, ny Ray hitambarana, ny Reny iraisana.
Mety nofy tokoa, eny nofiko angamba, nefa mety ho soa!

I “Iran” sy Amerika hifandray tanana, ka tsy hifanenjika.
I Palestinina sy i Israely ihany koa, tsy hifandrendrika.
Izao tontolo izao, halavirin’ny horohoro sy tahotra lava.
Mety nofiko angamba fa, izay rehetra izay, toa tsy ho vitan’ny vava.
RRAG
07 Aogositra 2014
--------
Rohy:
705 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0349