MIANDRY NY SOA HO RANTO… (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
MIANDRY NY SOA HO RANTO…
Iny vetsoko miampita, ry vorona mba hampitao!
Ny adiko ato tsy mba vita, mila koa ny vavakao.
Iny antso mitaraina, arahiko sento mitalaho!
Vesatro loatra ny taintaina, ao am-poko hatramin’izao.
Dia hiandry aho! Eh…! Hiandry soa mba ho ranto!
Hiandry teny kely, arahim-betsovetso kanto.
Handrisika ny foko, hiroso hatramin’ny farany!
Hiady sy hitoloko, ho an’ny tena anjarany.

Miandry ny soa ho ranto, ho fanilom-pahanterako.
Miandry ny soa ho ranto, mba ho fasam-pilevenako!
Ho toy ny volamena tsotra, saingy tsy mba manana hosoka.
Ho toy izany izay anjarako, fa tsy hisy na dia ho ankosotra!

Iny hirako mivetso, ry vorona araho sioka.
Ny ady ny ahy tsy hatreto, fa hovitaiko hatrany ampita!
Ilay hipaikan’ny antsoantsoko, mitsangana dieny izao.
Fa anio ny fahafahana, dia ho azoko izaho sy ianao!

Iny siokako miantsa, miantsa hira fiderana.
‘Njay! Injay fa re manakoako, maneran’ny tanàna!
K’indray miredona isika, mba ho hiram-pahafahana.
Ilay hiram-pirenena, kalokalon-tanindrazana!

Miandry ny soa ho ranto, dia hitraka tsy hitanondrika.
Hikaroka ny tena kanto, tsisy maso miondrikondrika.
Tsy misy sofina minia, tsy mihaino feom-bahoaka.
Tsy hisy ady sanatria, hokerezina hapoaka!
RRAG
12 Febroary 2013
--------
Rohy:
219 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0477