MIANGATRA IALAHY RY FIAINANA… - RRAG
Azo vakiana?
MIANGATRA IALAHY RY FIAINANA…
Mangidy ialahy ry fiainana, fa hosotroiko ihany,
tsakoako hatramin’ny taolana, hatrany ambany tany.
Totofy aho raha sahy e! Eo havereno ho vovoka,
ny hikepoka an’ialahy dia, tsy ataoko hahadrodroka.
Mahery ialahy Rafiainana, fa tsy hahahoaka ahy,
tsy haharesy akory, ny hery kely entiko.
Aiza izao ialahy izay hoe: “Manana fanahy”?
Aiza ialahy izay, hanohitra ny fihetsiko?
An’ialahy ny hery e! Tsy laviko ‘zay entina,
ento aty daholo, izay hery ao amin’ialahy.
Ny vava izay avoakako, tsy hahoako hisy pentina,
ka na ho resy aza aho, tsy hanana ahiahy!
Matsatso ialahy ry fiainana, toa sady marikivy,
mamy ialahy ‘ndraindray, kanefa koa mangidy.
Namako raha ialahy, saingy fahavaloko,
ny hisedra an’ialahy dia, tsy mba ho hatakaloko!
Miangatra ialahy, manavakava-tava,
manava-bolon-koditra, maneso anay sahirana.
Aiza ho isan’andro ve dia, ho ranomaso lava,
miary latsalatsa, sy kapo-pijaliana?
RRAG
01 Septambra 2019
Hametraka hevitra
Midira alohaMombamomba
Mpanoratra : RRAG

Nampiditra : RRAG
Daty : 08/10/2019
Mpamangy : 183
Mankafy : 0
Tononkalo hafa
RITSOKA…HENATRA…
DIA TSAROVY IZAO…
NA DIA TSY HO IZAO…
JEREO…
INY DIA MANGINA…
NOFINOFY…
NA DIA LAVITRA!
HAMEHEZANA!
MBOLA MISY ANY…