MIANGATRA NY LANITRA (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
MIANGATRA NY LANITRA
Miangatra ny lanitra,
fa misy ao sahirana tsy misy mba atelina,
osa sy mahantra,
zara raha mahita, nefa tsy hahavelona.

Miangatra ny lanitra,
fa misy any olona, manary ny an-tanany, manana ny ampy,
saingy tsy ny mahantra,
no handeha hitanty,
ireny fahasasarana, sy sisasisan’ny hafa,
fa ireo alika, mpiandry ny tanàna.

Miangatra ny lanitra,
fa mbola misy ihany, ireo mainty miady, amin’ny fanavahana,
saingy tsy tsikaritra,
satria efa mainty, ka tsy mba raisin-tanana.

Miangatra ny lanitra,
fa misy koa kamboty, miandry fahafatesan’ny nahita-masoandro,
izay sisa tokana, hany miahy azy, anaty latsalatsa,
sy eson’ny mpitazana, efa manana ampy, homana isan’andro.
RRAG
02 Febroary 2004
--------
Rohy:
302 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0209