MIDERA ANAO… (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
MIDERA ANAO…
Midera raha midera, ‘ty fo tsy mety lefy,
niezaha-nofefena, nazera mba hietry.
Midera raha midera, ny saina ’zay maràtra,
novelesina tsy ankiera, ho vesatra sy ho latsa.

Ny fahendrena anananao, lovanao sy harena soa,
noderainy hiseho vahoaka, mba hahazoany tombontsoa.
Ka tsy hampihemotr’azy ireo, ny anatra efa nomenao,
sy izay fitia natolotrao, ary ny hery hanananao.

Midera raha midera, ny fahavononan’isan’andro,
hiatrik’ady mafy, hirehetan’ny masoandro.
Midera raha midera, ny amboaram-pandresena,
novokarin’ny finoana, nandrakotra ny tena.

Midera raha midera, ireo mivavaka amin’ny fo,
ka nitondra fanovana, sy nizara zava-tsoa.
Midera anao ny fo, tsy manan-ko hambara,
fisaorana angamba, no asolo ny arahaba.
RRAG
Ny taona 2008
--------
Rohy:
294 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0171