MIFONA AHO! (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
MIFONA AHO!
Mifona aho ry tany,
mivalo aminao,
fa tsy efako ny adidy,
izay napetrakao.

Variana mantsy aho,
nandinik’irony lasa,
sy ny lefony nandràtra,
‘ty fonao ‘zay nitalaho.

Mifona aho ry tany,
fa tsy haiko ny ho atao,
hanohizako ‘lay ady,
efa natombokao.
RRAG
Mey 2009
--------
Rohy:
340 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0203