MIFONA AHO, AOKA… (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
MIFONA AHO, AOKA…
Injay! Injay fa toa niverina,
ilay safosafonao, nikasika ny vatako.
Ilay orokorokao, no reko mitamberina,
mihazona ny molotro, hamerina ny lasako.

Nofihininao ny tanako, nofihininao mafy!
Nosafoinao ny tratrako, avy ianao dia niantsampy,
nanoroka ny molotro, nitady tsy hiala!
Saingy, tonga ny vadinao, ‘lay fiantsonao malala,
nahatratra ny hadalana, ilay nataontsika.
Mifona aho, aleo hatreo, aoka samy vita!

Ekeko tiako ianao, tena tiako, f’ianao no efa anjarany.
Tsy laviko izany hoe ianao, haingon’ny tantarany.
Fa menatra ihany aho, handrombaka anao!
Mifona aho, aoka samy vita, aleo aho toy izao.
Tsy misy taintaina, tsy misy tebiteby!
Tsy hanahy ny ho afaka aina, tsy hatahotra ny ho bedy,
ny ho tratram-badinao, toy ny efa vita.
Aleo mihitsy izaho sy ianao, tsy mifankahita!
RRAG
23 Desambra 2012
--------
Rohy:
593 1
Mpakafy: RRAG
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0216