You are here: home > Vetso

MIHINAN'NY AHAMAMINY... - RRAG

Azo vakiana?

MIHINAN'NY AHAMAMINY...
Tsy misy tsara mihoatra fitia,
fa rehefa tiavina mahatsapa ho fatratra.
Finaritra ery ny mampiara-dia,
satry io tsy hiato na ho hatrany am-pasana.

Miaina ny fo raha sendra ka tia,
na sendra voadona aza mahay mionona!
Lafatra tsisy fihatsarambelatsihy,
mahatoky tena fa tsy vavan'olona!

Mihinan'ny ahamamin'ny fiainana hatrany,
ka tsy voasakan'ny sento mandalo!
Mifangaro eny ny mangidy sy mamy,
ny fo malahelo 'ndraindray velon-kalo!
RRAG
22 Aogositra 2021