MILA MAKA AINA... (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Indro aingam-piarahabana anao ry Neny malala amin'izao fitsingerenan'ny taona nahaterahanao izao:

MILA MAKA AINA...
Tsy sasatra ny foko, ny hivetso am-pikaloina
ny anaranao fiantsoko, ry Neny tiako indrindra.
Ny anatranatrao no ampingam-pandrosoana,
porofo tsy voafafa, sy voa mora hafindra
amin'ireo taranakao, hibea hananatra azy.
Neny! Ireo teninao no tady!

Arofanin'ny lalana malama, andriam-pota-mandry
'lay hatezeranao, raha iny diso lalana ireto zanakao!
Ianao tsy mitsitsy rotsan-kazo, mibedy tsy miandry.
Sao hitamberina ny anio, ka ho loza mitatao!

Avy eo manambitamby, misafosafo loha
miteny am-pitoniana, manosika ahy ho hendry.
Ianao 'lay Neny tiana, saina sady fo,
mienjana milefaka, raha iny manabedy!

Tonga fety ianao ka, mendrika ho arahabaina...
Rarian-tsoa hifafy, sy ho lava andro iainana...
Ny oroka ry Neny, efa tamin'ny vao maraina,
fa aleo aloha anio, tsy hisy fitarainana,
handràtra ny fonao, sy hankarary saina!
Fa ianao anio, mila maka aina!
RRAG
29 Septambra 2021
--------
Rohy:
219 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0211