MINITRA IRAY...! (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
MINITRA IRAY...!
Maso mba nitopy, nanilana fijery,
kinanjo ianao nandalo, dia nitsiky kely,
nanopitopimaso, nitazana ahy variana.
Hoy ny eritreritro hoe: “Ay! Iny ilay tiana!”

Minitra iray tsaroako, saingy toa niserana,
nitsiry tao an-tsaiko, tsy nanam-pahataperana.
Fa satriko hahita, 'lay tsikinao nambabo,
mety hisy hitovy ihany, saingy tsy ho iray fivazo!

Tsy hahasolo ny anao, izay taratra namafa,
nikosoka ny ràtra, nentin'iny lasa.
Minitra iray tsaroako, tsy ho faty intsony am-po,
io 'lay hany topimaso, mba nitondra soa!
RRAG
21 Oktôbra 2017
--------
Rohy:
300 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0808