MINITRA VITSY MONJA! (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
MINITRA VITSY MONJA!
Oram-baratra mikija, mitety tafontrano, mandrotsaka tomany.
Ilay tena lehibe indrindra, no nalavon’ny angano, hototofan-tany.
Ranomason-jorontrano, ranomasom-boary an’ala, fahorian’ny fo mitroatra.
Maty tsy mba tra-drano, toa tsy nisy mpahalala, tam-pahorian-tsy mivoatra.

Minitra vitsy monja, volambe saronan-javona, no manazava ny tontolo.
Toy ny fo iray voafonja, afovoan’ny avonavona, izay mainty manontolo.
Mainka indray kikisa-nenina, dodosin’alahelo mafy, noho ireo tsiaro mitamberina.
Saingy ny lasa tsy hiverina, efa toy ny olo-maty, tsisy lalana hiverenana.

Minitra vitsy monja, dia fahori-misesy, no lanjain’ny fo mangina.
Minitra vitsy monja, dia nivadika tsy ho fety, ity andro nampiakarany ny tiana.
Minitra vitsy monja, dia nalàna tamin’ny tava, ilay fifaliana teny aminy.
Minitra vitsy monja, dia nangina ilay kotaba, eh! Nilaozany ny akaniny.
RRAG
05 Septambra 2015
--------
Rohy:
392 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0375