You are here: home > Vetso

MIORA… - RRAG

Azo vakiana?

MIORA…
Toy ny hakanton-diamondra, ‘lay firavakao matetika,
ny hakantom-bikanao.
Toy ny herin’itsy onja, mivatravatra be fitetika,
ny fijeriko anao.

Meva sady kanto, rindra sady soa!
Toy ny bikan-dranto, mora manaitra fo!

Toy ny rava-bolamena, ny fijerinao ny masoko,
manganohano mijinery, ny taratr’ito tavanao.
Toy ny afo iray natsipy, handoroana ny akaniko,
ny fitiavana niantsampy, raha vao nahita anao.

Tsotra sy malefaka, miary fandeferana,
ny toetranao!
Mangina sy mipetraka, miandry izay ho resaka,
avy amiko ianao!

Miora fa tsy raozy, tsy voahiran’ny ala!
Meva tsara paozy, satriko, ny hiantso anao malala!

Toy ny masoandro, miposaka maraina,
ny fitsikinao!
Toy ny torak’antsy, re nanaintaina,
ny orokorokao!
RRAG
12 Febroary 2013

Hametraka hevitra

Midira aloha