You are here: home > Vetso

MIRA... - RRAG

Azo vakiana?

MIRA...
Toa tsy feno toa tsy banga,
irony tsiky fialofana,
nihenkena kely angamba.
Sa kosa sendra fahalovana?

Dia nieza-nampitony,
ny eritreritra tsy zaka.
Ilay sariaka tsy eny intsony,
fa niara-levona amin'ny lasa.

Mira! Mitovy saingy tsy sahala,
fa samihafa volon-doko.
Ilay adin-tsaina manadala,
no indrao nivadika ho toloko.

Mira! Fampitaha ny tsy mitovy,
fanombam-pitoviana.
Saingy ity koa mba tsarovy,
tsy vidim-bola ny hafaliana.

Mira! Sahalahala fa hafa toko.
Mitamberina ho tsiahy.
Misy any mitsitoko,
ory hatramin'ny fanahy.
RRAG
29 Jolay 2020

Hametraka hevitra

Midira aloha