MISAONA NY FONY! (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
MISAONA NY FONY!
Lasana namonjy ny Ray!
Namonjy ny fiainana mandrakizay.
‘Lay tokan’ny fony tsy manan-takalo.
‘Lay notsiriritin’ny fon’ny mpandalo.

Nisaona ny fony,
nandresy ny ankaso!
‘Reo ràtra tsy tony,
notinefen-dranomaso.

Kanefa indrisy fa vao mainka nitoetra.
Mody nisangy kay tena nisetra!
Nandrangitra mihitsy ‘lay fo ‘zay misaona,
tsy tonin’ny volana na lefin’ny taona.

Misaona ny fony,
toa velon-tomany,
ka tsy mety ho tony.
Fa efa lavo nazeran’ny tany!

Misaona ny fony,
fefen-draho-mainty.
Ahian-tsy hitony,
ny fery lanjainy.

Tsy tantiny intsony,
fa mafy fiantonta,
manery ny fony!
‘Lay bokim-piainana,
mirakitra ny lasa,
izay efa tonta.
RRAG
Febroary 2012
--------
Rohy:
278 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0204