MISENTO INDRAY ILAY FO...! (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
MISENTO INDRAY ILAY FO...!
Nahoana moa ny vintana, no lazaina miangatra,
kanefa koa ny kintana, mifidy izay tinaratra,
manavak'izay tiany, omena hazavana?
Iza no omena tsiny, raha toy izay no anjara?

Fo akory izany, tsy hisento an'alahelo,
raha sendra izay tomany, mbola mihelohelo,
toy ny ferin-dasa, tsy maina tsy mitony,
kanefa toa mahazatra, ka hihafian'ny fony?

Misento indray 'lay fo, maràtran-dRafitiavana.
Vaky hatramin'ny loha, sa izay no fandaharana,
lahatra tinendry, vintana sy anjara?
Izay ve no tendry, voasoratra ho tantara?
RRAG
13 Aogositra 2017
--------
Rohy:
413 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0828