MISY… FO… (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
MISY… FO…
Misy fanahiana, mihiboka ao anaty,
zary faniriana, efa toa tsy tanty,
tiako hozaraina, raha toa sitrakao.
Valio ity taraina, raha mba azo atao!

Misy fo mitepo, reko toa mivetso,
ny anaranao, injay fa toa misento,
ao anatiko ao, miangavy mitalaho.
Ny hitopazanao, ‘lay fo tsy mora lao!

Misy ràtra mihitatra, fitia feno fitaka,
nikapoka ny fo, ‘lay nanantena soa,
reko toa mandrangotra, reko toa mitsipaka.
Efa toa tsy tana, tsy tantin’ny fo!

Misy fo latsa-tomany, tsisy mba mijery,
reko manontany, ny lahatra sy tendry,
ka tsy nahazo valiny, na mba nahita maminy.
Fa vao mainka aza, nanamafy ny tomaniny!

Misy fery efa hadiva maina, efa nalevin-dasa,
nifoha vao maraina, ka nampihombo ràtra.
Injay manaintaina, mila fanafody,
toa manindron’aina, sa kapoky ny tody?

Misy any manantena, sy mahatoky ny olon-tiany,
ka tsy mba mihevi-tena, ‘zay mety ho lanjan-ditrany,
fa manantena foana, ny fahendrena hananany.
Saingy indrisy, fa votsotra tan-tanany!
RRAG
Aogositra 2012
--------
Rohy:
363 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0203